Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ary niainga i Jahela mba hitsena an’i Siserà ka nanao taminy hoe: –Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela ka niteny taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra! Ary rehefa niakatra ho ao aminy tao an-day izy dia norakofany lamba firakotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary niainga i Jahela mba hitsena an’i Siserà ka nanao taminy hoe: –Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Nivoaka i Jahela hitsena an’i Sisarà ka nanao taminy hoe: «Mandrosoa, tompoko, mandrosoa atỳ amiko fa aza matahotra.» Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia nivoaka Jaela hitsena an’i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela ka niteny taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra! Ary rehefa niakatra ho ao aminy tao an-day izy dia norakofany lamba firakotra.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:18
3 Rohy Ifampitohizana  

ary hoy i Elisà tamin’ny miaramila: –Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin’ny olona tadiavinareo ianareo. Kanjo nentin’i Elisà nankany Samaria ireo.


I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra.


Ary hoy izy tamin-dravehivavy: –Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Siserà dia norakofany bodofotsy indray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra