Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.
Genesisy 34:10 - DIEM PROTESTANTA Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; monena eo ary mivarota ao, dia ho isan’ny tompon-tany ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto. Baiboly Katolika Dia honina aty aminay ianareo, ka ho azonareo hanaranam-po ny tany, na hipetrahanareo na hanaovanareo varotra na hahatongavanareo ho tompon-tany.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hiara-monina aminay hianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ny tompon-tany hianareo. Malagasy Bible Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo. La Bible en Malgache Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; monena eo ary mivarota ao, dia ho isan’ny tompon-tany ianareo. |
Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.
Ary hoy i Abimelèka tamin’i Abrahama: –Indro mivoha ho anao ny taniko, koa mipetraha amin’izay mahafinaritra ny masonao.
I Sekema mihitsy no tonga niteny tamin’ny rain’i Dinà sy ny anadahiny hoe: –Mba amindrao fo aho fa homeko anareo izay takînareo amiko.
Hifanaraka isika ka ny zanakareo vavy homenareo ho anay ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho anareo.
Dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy. Amin’izay dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo fa olo-marina tokoa; dia haveriko aminareo i Simehôna rahalahinareo, ary hahazo mivezivezy eto amin’ny tany ianareo.»
Nipetraka tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.