Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 47:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Nipetraka tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Ary nonina tao amin’ny tany Ejipta, tao amin’ny tany Gosena Israely. Nahazo zaratany tao izy, dia nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Nipetraka tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Nonina tany Ejipta amin’ny tany Gesena i Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary nonina tao amin’ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin’ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:27
19 Rohy Ifampitohizana  

Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.


Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin’ny alalan’ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany,


Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.


Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto.


sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.


Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.


Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.


Dia nandefa goaika anankiray izy, nefa niverimberina nivoaka sy niditra io mandra-paharîtran’ny rano teny ambonin’ny tany.


Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.


Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany.


Nohamaroin’Andriamanitra tokoa ny vahoakany ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.


Tahîn’ny Tompo izy ka mihamaro fatratra; ny biby fiompiny koa tsy avelany hihavitsy.


Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.


Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.


Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray.


Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be.


Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.


Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra