Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 32:21 - DIEM PROTESTANTA

sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaiko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho!

Jereo ny toko



Genesisy 32:21
7 Rohy Ifampitohizana  

Nomeny baiko toy ny teo ihany koa ny faharoa sy ny fahatelo ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby hoe: –Izany teny izany no holazainareo amin’i Hesao, rehefa mifanena aminareo izy;


Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.


Koa miangavy aho, raiso ny fanomezana izay nampitondraiko ho anao satria efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny ilaiko rehetra aho. Niangavy azy mafy i Jakôba, ka dia noraisiny ihany ny fanomezana.


Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.


Ny kolikoly dia heverina hanambina ny mpanolotra azy, ka hampahomby ny zavatra rehetra hataony.


Dia nalefan’i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin’ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan’i Hay, teo anelanelan’i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon’ny tafika sisa ihany tamin’io alina io.


ka hoy izy tamin’ny mpanompony: –Mandehana eo alohako, fa harahiko ianareo. Tsy niteny na inona na inona tamin’i Nabala vadiny anefa i Abigaîla.