Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.
Genesisy 30:9 - DIEM PROTESTANTA Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa hitan’i Lea fa nitsaha-jaza izy tenany dia naka an’i Zilpa mpanompovaviny izy ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba. Baiboly Katolika Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa hitan’i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa. Malagasy Bible Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa. La Bible en Malgache Rehefa hitan’i Lea fa nitsaha-jaza izy tenany dia naka an’i Zilpa mpanompovaviny izy ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa io. |
Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.
Fa mbola bevohòka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: –Amin’ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.
Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavak’i Leà, ka bevohòka izy ary niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakôba.
dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.
Ireo telo ambin’ny folo lahy ireo no taranak’i Jakôba tamin’i Zilpà izay nomen’i Labàna ho mpanompovavin’i Leà.