Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
Genesisy 27:12 - DIEM PROTESTANTA Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mety hitsapa ahy Ikaky, dia ho toy ny mpisandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko izany fa tsy tsodrano! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany. Baiboly Katolika Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin’izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko.» Baiboly Protestanta Malagasy ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano. Malagasy Bible ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano. La Bible en Malgache Mety hitsapa ahy Ikaky, dia ho toy ny mpisandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko izany fa tsy tsodrano! |
Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
Dia hoy i Hesao tamin-drainy: –Tsy mandia tokoa ve ny anarany hoe Jakôba, «Ilay mpisoloky?» Fa efa nisoloky ahy indroa izy izao; efa nalainy ny fizokiako, ary ankehitriny lasany koa ny tsodrano tokony ho ahy! Moa tsy mba misy tsodrano notahirizinao ho ahy ve?
Rehefa afaka ny hatezeran’ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia haniraka haka anao any aho; fa nahoana moa aho no hamoy anareo roa lahy indray andro?
dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahàna! Aoka izy ho faraidiny amin’ireo mpanompon’ny rahalahiny!
Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!
Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.
na omem-boninahitra izahay na alàm-baràka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina,
«Ho voaozona anie izay mamery lalana ny jamba!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»