Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’NY TOMPO atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’NY TOMPO atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:10
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa rehefa nandalo ny mpanjaka, dia nitarainany nataony hoe: –Ry andriamanjaka ô, tao anatin’ny ady aho no indro nisy olona nivoaka an-daharana nitondra mpigadra iray teo amiko sady niteny hoe: «Ambeno ity lehilahy ity! Fa raha mandositra io, dia ianao no ho faty hisolo azy, na koa handoa volafotsy 35 kilao amiko ianao.»


Kanjo raha mbola sahirana nivezivezy tetsy sy teroa iny aho, dia lasa nitsoaka izy. Dia hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: –Ianao ihany izany no nilaza ny fanamelohana ny tenanao.


Dia hoy ilay mpaminany taminy: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Satria navelanao handeha ilay lehilahy nohelohiko ho faty, dia ianao kosa no ho faty hisolo azy, ary ny vahoakanao no ho faty hisolo ny vahoakany.»


Tezitra taminy anefa ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Raha mba nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nahavoa ny Sirianina mandra-paharingany; ankehitriny anefa dia intelo ihany no hahafahanao mamely azy.


ka hilazanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin’ity fanekempihavanana ity,


Hoy ianareo hoe: ‹Indrisy ry sabatry ny TOMPO, tsy mba hiato mihitsy ve ianao? Midira ao anaty tranonao, mialà voly ka mijanòna.›


Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an’i Askelôna sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy.»


Novohan’ny TOMPO ny trano fitehirizany, ka nalainy tao ireo fiadiana izay anehoany ny fahavinirany. Ao amin’ny tanin’i Babilôna dia izany no asan’ny Tompo, ilay ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Vonoy ho faty ny miaramilany rehetra; aoka hidina any an-toeram-pamonoana ireo! Idiran-doza ireo fa tonga ny androny dia ny fotoana hamalian’ny Tompo azy.


Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.


Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjelin’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.


Koa ankehitriny, mandehana tafiho ny Hamalekita, ary levony avokoa izay rehetra ananany fa aza asiana miangana sy indrafo. Vonoy ho faty avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza minono, na omby na ondry, na rameva na boriky.»


Fa i Saoly sy ny miaramila kosa nitsimbina ny ain’i Agaga mbamin’izay tsara indrindra amin’ny biby fiompy, toy ny omby aman’ondry, mifahy na tsia, izany hoe rehefa biby tsara rehetra misy vidiny. Fa izay tsy misy vidiny sy tsy ilaina kosa dia samy naringany avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra