Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,
Genesisy 24:15 - DIEM PROTESTANTA Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Katolika Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Malagasy Bible Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. La Bible en Malgache Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. |
Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,
Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.
Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.
Dia namaly razazavavy hoe: –Zanakavavin’i Betoela aho, sady zafikelin’i Milkà sy i Nahôra.
Raha mbola tsy tapitra akory anefa ny teniko anakampo, dia tamy i Rebekà niantsoroka siny, dia nidina nankeo am-pantsakana ka nantsaka; ary hoy aho taminy: «Mba omeo aho hosotroiko, aza fady!»
Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
Dia niteny indray i Jakôba hoe: –Fantatrareo ve i Labàna, zafin’i Nahôra? Ka novalian’ireo hoe: –Eny, fantatray izy.
Raha mbola niresaka tamin’ireo i Jakôba, dia tonga i Rahely niaraka tamin’ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
Ry Andriamanitra monina ao Tsiôna ô, mendrika hoderaina Ianao sy hanefana ny voady natao.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman’osin-drainy.
Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.
Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.» Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany holazaina.
Dia nitsimpona teo an-tanimbarin’i Bôhaza i Rota mandra-paharivan’ny andro, ary noveleziny ny salohy izay voatsimpony ka nisy vary ôrza tokony ho iray kitapo kely.
Ary hoy i Rota, vehivavy môabita, tamin’i Nahômỳ: –Avelao aho handeha ho eny an-tanimbary mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay olona ho tsara fanahy amiko! Dia hoy izy taminy: –Mandehana àry, anaka.