Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Tsara tarehy tokoa razazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy niray taminy. Ary nidina teo am-pantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Tsara tarehy tokoa ilay zazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Tsara tarehy tokoa razazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy niray taminy. Ary nidina teo am-pantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Fatratra ny hatsaran-tarehin-drazazavavy, sady virjiny izy, fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin’ny loharano izy, nameno rano ny sininy dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Tsara tarehy tokoa ilay zazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony efa akaiky ho tonga tany Ejipta ry zareo, dia hoy i Abrama tamin’i Saray vadiny: –Etsy ange, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao.


Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.


I Leà dia malefa-pijery, fa i Rahely kosa tsara tarehy sady bikàna.


Noho izany dia navelany teo am-pelatanan’i Jôsefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Pôtifara, afa-tsy izay sakafo hohanin’ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikàna i Jôsefa.


Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.»


Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra