Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba atongilano kely ny sininao hisotroako ka hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho, dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao. Izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: ‹Ahilano kely ny sininao mba hisotroako› ka hamaly hoe: ‹Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao,› no ho ilay notendrenao ho an’i Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba atongilano kely ny sininao hisotroako ka hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho, dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao. Izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:14
22 Rohy Ifampitohizana  

Fa nanontany kosa i Abrama hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, amin’ny fomba ahoana moa no hahalalako fa ho lasako ity tany ity?


Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto.


Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama.


Ary hoy razazavavy hoe: –Misotroa, tompoko. Nampidininy haingana ny siny ho eo an-tanany, dia nampisotroiny ralehilahy.


Ary rehefa vitany izany, dia hoy indray razazavavy hoe: –Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho ambara-pisotron’izy rehetra.


Inty aho mby eto anilan’ny fantsakana, hisy zazavavy hivoaka hantsaka ka hiangaviako mba hampisotro ahy rano kely avy amin’ny sininy.


Koa raha mamaly ahy izy hoe: ‹Misotroa ianao, ary ny ramevanao koa hantsakako›, dia izy no vehivavy voatendrinao, ry TOMPO, ho an’ny zanakalahin’ny tompoko.»


Ary hoy i Jôaba tamin’i Hamasà: –Manahoana ianao, ry rahalahy? Noraisin’i Jôaba tamin’ny tanany ankavanana ny volombavan’i Hamasà mba horohany.


Rehefa nahare hoatra fingadongadon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin’izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.


Trano aman-karena no lova avy amin-drazana; fa ny vady hendry kosa dia avy amin’ny TOMPO.


–Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin’izay fanambanin’ny toeran’ny maty izany na eny an-danitra ambony eny.


rehefa mivavaka, sady mitalaho tsy an-kijanona mba ho sitrak’Andriamanitra ny hamela ahy ho tody soa aman-tsara atỳ aminareo.


Fa hoy indray ireo taminy: –Andeha àry mba anontanio Andriamanitra hahafantaranay na hahomby izao dianay izao na tsia.


Dia namaly Azy i Gidehôna hoe: –Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko.


dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon’ondry; ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an’i Israely, araka izay efa nambaranao.


Raha ambarany fa tsara izany, dia tsy haninona ny mpanomponao; fa raha tezitra kosa izy, dia fantaro fa vonona ny hifofo ny aiko mihitsy izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra