Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 23:16 - DIEM PROTESTANTA

Dia nifanaraka tamin’i Hefrôna i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan’ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin’ny mpivarotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona ka nolanjainy ho azy teo anatrehan’ireo taranak’i Heta ny vola izay voalazany, dia sekela volafotsy efajato araka ny sandany eo amin’ny mpivarotra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nifanaraka tamin’i Hefrôna i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan’ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin’ny mpivarotra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ny taranak’i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ny mpivarotra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona ka nolanjainy ho azy teo anatrehan’ireo taranak’i Heta ny vola izay voalazany, dia sekela volafotsy efajato araka ny sandany eo amin’ny mpivarotra.

Jereo ny toko



Genesisy 23:16
18 Rohy Ifampitohizana  

–Tompokolahy ô, henoy aho! Izay tany lanjambidy efajato sekela volafotsy ve dia ho inona amiko sy aminao? Fa aleveno ny fatin’ny vadinao.


Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,


Taorian’izany dia nanafatra ireo zanany i Jakôba ka nanao taminy hoe: –Rehefa maty aho, dia aleveno any am-pasan-drazako, dia ilay zohy ao amin’ny sahan’i Hefrôna izay hetita,


Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.


Isaky ny mifarana ny taona dia hetezany ny volon-dohany satria mavesatra loatra aminy. Koa rehefa lanjainy izany dia mahatratra roa kilao araka ny fandanjan’ny mpanjaka.


Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Araonà: –Tsia, tsy homenao ahy maimaim-poana ireo fa hovidiko araka izay tena vidiny. Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitro. Dia novidin’i Davida tamin’ny sekela volafotsy dimampolo ny famoloana sy ny omby.


Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.


Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,


Nataoko dika roa mitovy ny taratasy fivarotana. Teo imason’ny vavolombelona no nohidiko tamin’ny tombokaseko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana iray ary nolanjaiko tamin’ny mizàna ny lanjan’ny volafotsy.


Dia novidiko tamin’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko ny sahany tao Hanatôta ary naloako ny vidiny, dia sekela volafotsy fito ambin’ny folo.


Ny sekela volafotsy dia ho gera roapolo, ary ny sekela enimpolo kosa no ho mina iray.


Ary hoy aho tamin’ireto mpanondrana ondry: –Raha heverinareo fa mety, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany kosa, dia aoka ihany. Dia naloany ny karamako sekela volafotsy telopolo.


Noho izany àry, ataovy amin’ny olona izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo; fa izany no vontoatin’ny lalànan’i Mosesy mbamin’ny fampianaran’ny mpaminany.


Dia nafindra ho any Sekema ny taolam-balon’ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana novidin’i Abrahama vola tamin’ny taranak’i Hemôra tany Sekema.


Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


ka amin’izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin’ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin’ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.