Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,
Genesisy 22:11 - DIEM PROTESTANTA Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho. Baiboly Katolika Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’i Iaveh nanao hoe: «Ry Abrahama! Ry Abrahama ô!» ka hoy ny navaliny: «Inty aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. Malagasy Bible Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. La Bible en Malgache Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO* ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho! |
Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,
Nefa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza; koa niantso an’i Hagara avy any an-danitra ny anjelin’Andriamanitra nanao taminy hoe: –Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza eo amin’ny toerany eo.
Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: –Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: –Inty aho.
Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako
Ny TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, no naka ahy tao an-tranon’ny raiko sy tao an-tanindrazako. Niteny tamiko Izy sady nianiana tamiko fa hanome ity tany ity ho an’ny taranako. Izy no haniraka ny anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.
Ka nantsoin’ny anjelin’Andriamanitra tamin’ny nofy aho nataony hoe: «Ry Jakôba ô!», dia namaly aho hoe: «Inty aho.»
Ka hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Moa tsy miandry ondry any akaikin’i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha àry ianao hirahiko ho any aminy. Dia hoy ny navaliny azy: –Inty aho.
Nony alina dia niteny taminy tao anaty fahitana Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry Jakôba! Ry Jakôba! Ary hoy ny navalin’i Jakôba Azy: –Inty aho!
antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!
Tao izy no nisehoan’ny anjelin’ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan’ny roimemy anankiray. Hitan’i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana.
Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: –Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: –Inty aho.
Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe: –Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay? Dia namaly aho hoe: –Inty aho, iraho aho.
Samy niankarapoka tamin’ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin’ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!»
Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe: –Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?
Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjelin’ny TOMPO ary nanambara tamin’ny Israelita hoe: –Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.
Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: «Ry Samoela, ry Samoela!» Dia hoy izy namaly: –Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.