Genesisy 21:13 - DIEM PROTESTANTA Kanefa ilay zanakalahin’ny mpanompovavinao koa dia hataoko tonga firenena, satria taranakao izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa ny zanak’ilay mpanompovavy koa dia hataoko firenena satria naterakao ihany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa ilay zanakalahin’ny mpanompovavinao koa dia hataoko tonga firenena, satria taranakao izy. Baiboly Katolika Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy. Malagasy Bible Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy. La Bible en Malgache Nefa ny zanak’ilay mpanompovavy koa dia hataoko firenena satria naterakao ihany izy. |
Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.