Koa raha vao mahita anao ny Ejiptianina, dia hanao hoe «io no vadiny»; dia hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
Genesisy 20:11 - DIEM PROTESTANTA Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Abrahama: Satria hoy aho hoe: Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra na dia kely aza amin’ity tany ity ka hovonoin’ny olona aho noho ny amin’ny vadiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko. Baiboly Katolika Ary izao no navalin’i Abrahama: «Hoy aho anakampoko: Tsy misy tahotra an’Andriamanitra kely akory angamba amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho, noho ny amin’ny vadiko. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra tokoa amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho noho ny amin’ny vadiko. Malagasy Bible Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko. La Bible en Malgache Dia hoy i Abrahama: Satria hoy aho hoe: Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra na dia kely aza amin’ity tany ity ka hovonoin’ny olona aho noho ny amin’ny vadiko. |
Koa raha vao mahita anao ny Ejiptianina, dia hanao hoe «io no vadiny»; dia hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
Marina ihany anefa fa anabaviko izy, iray ray izahay; saingy tsy iray reny amiko izy, ka izany no nahatonga azy ho vadiko.
Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.
Ary tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Jôsefa taminy: –Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an’Andriamanitra.
Kanefa ireo governora talohako dia nanahirana ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo; eny, na ny mpanompony aza, dia nisetrasetra tamin’ny olona. Izaho kosa tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Nisy lehilahy iray nonina tany amin’ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Jôba. Tsy misy hokianina sady mahitsy ary nanaja an’Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy.
Dia hoy Andriamanitra tamin’ny olona: «Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena; ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.»
Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!»
Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana. Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.
Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.
dia ho fantatrao tokoa ny fanajana ny TOMPO ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO. Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehana na ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.