Niala tamin’izany tany izany i Nimrôda ho any Asiria ary nanangana tanàna, dia i Ninive sy i Rehôbôta-Hiry, i Kela,
Genesisy 2:14 - DIEM PROTESTANTA I Tigra no anaran’ny sampan-drano fahatelo mandalo any atsinanan’i Asiria. Ary i Eofrata no anaran’ny sampan-drano fahefatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mankany atsinanan’i Asiria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Tigra no anaran’ny sampan-drano fahatelo mandalo any atsinanan’i Asiria. Ary i Eofrata no anaran’ny sampan-drano fahefatra. Baiboly Katolika Tigra no anaran’ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan’i Asora. Ary Eofrata no anaran’ny ony fahefatra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. Malagasy Bible Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. La Bible en Malgache Ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mankany atsinanan’i Asiria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. |
Niala tamin’izany tany izany i Nimrôda ho any Asiria ary nanangana tanàna, dia i Ninive sy i Rehôbôta-Hiry, i Kela,
Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe
Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy.
Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.
Hotaomiko hikomy aminao avokoa ny mponin’i Babilôna sy ny Kaldeanina rehetra, ny mponina ao Pekôda sy Sôha ary Kôha mbamin’ny Asirianina rehetra: Tovolahy bikàna izy rehetra, dia governora sy mpitsara, mpiady voafantina sy olo-manan-kaja, samy kinga fitaingin-tsoavaly.
Ny tenako tamin’ny volana voalohany, fony andro faha-24, dia teo amoron’ny ony lehibe, izany hoe i Tigra.
Mihodîna ianareo, ary mandehana mankany amin’ny tendrombohitra fonenan’ny Amôrita; mandehana mankany amin’ny faritra manodidina fonenan’ny Kanahanita, dia ny lemak’i Harabà, ny faritra havoana, ny lemak’i Sefelà, ny Negeba, mbamin’ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Ho anareo avokoa ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo: ny faritaninareo dia hanomboka amin’ny taniefitra any atsimo ka hiafara any Libano any avaratra, ary hanomboka amin’ny ony Eofrata any atsinanana ka hiafara amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
Ary hoy ilay feo tamin’ny anjely fahenina nitana trompetra: «Vahao ny anjely efatra mifatotra eo akaikin’ny Eofrata, ony lehibe!»