Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,
Genesisy 16:13 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny anaran’NY TOMPO izay niteny tamin’i Hagara dia nataony hoe: Ianao no Andriamanitra izay mahita, satria, hoy izy: Teto tokoa va no nahitako Azy taorianan’ny nahitany ahy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.» Baiboly Katolika Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hagara nanao ny anaran’i Jehovah, Izay niteny taminy, hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ny fahitana? Malagasy Bible Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? La Bible en Malgache Ary ny anaran’NY TOMPO izay niteny tamin’i Hagara dia nataony hoe: Ianao no Andriamanitra izay mahita, satria, hoy izy: Teto tokoa va no nahitako Azy taorianan’ny nahitany ahy? |
Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,
Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»
Ary natahotra izy ka nanao hoe: –Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.
Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.
Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.
Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.
Ny mason’ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Fa izay toetran’ny lehilahy tsirairay dia eo imason’ny TOMPO hatrany ka dinihiny avokoa izay izorany.
Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.