Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 16:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin’ny olona rehetra sy hiadian’ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin’ny rahalahiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ho lehilahy toy ny borikidia izy; hamely ny olona rehetra ny tanany ary hamely azy kosa ny tanan’ny olona rehetra; ary honina mifanatrika amin’ny rahalahiny rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin’ny olona rehetra sy hiadian’ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin’ny rahalahiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tànan’ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary ho lehilahy toy ny borikidia izy; hamely ny olona rehetra ny tanany ary hamely azy kosa ny tanan’ny olona rehetra; ary honina mifanatrika amin’ny rahalahiny rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 16:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nombàn’Andriamanitra ny zaza ka nihalehibe, ary nonina tany an-taniefitra ka lasa mpandefa tsipîka mahay.


Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.


Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao. Nefa hiavo-tena ianao ka hanapotika ny ziogany hiala amin’ny vozonao.»


Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


Amin’izay ny olona tsy ampiampy saina aza dia mety hahazo fahendrena indray na dia toetram-borikidia aza izy fony vao teraka.


Indro tahaka ny fiaingan’ny borikidia ho any an-taniefitra no iaingan’ireo mahantra hiasa any an-taninay hahazoany hanina hameloman-janaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra