Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 16:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Indro efa bevohòka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin’ny TOMPO ny fitarainanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hoy indray ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Indro, manana anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Ismaela, satria efa nihaino ny fahorianao NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Indro efa bevohòka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin’ny TOMPO ny fitarainanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hoy indray Ilay Anjelin’i Jehovah taminy: Indro, manan-anaka hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hoy indray ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Indro, manana anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Ismaela, satria efa nihaino ny fahorianao NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 16:11
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Nefa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza; koa niantso an’i Hagara avy any an-danitra ny anjelin’Andriamanitra nanao taminy hoe: –Inona no mahazo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa henon’Andriamanitra ny kiakiakan’ny zaza eo amin’ny toerany eo.


Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


Iza no mikarakara ny hanin’ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?


«Miderà ny TOMPO, ianareo mpanaja Azy. Aoka hanome voninahitra Azy ianareo rehetra taranak’i Jakôba; aoka hangovitra eo anatrehany ianareo rehetra taranak’i Israely!


Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.


Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan’ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian’ny Ejiptianina azy.


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany.


Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany.


Ary nitaky fitaovana hanoratana i Zakarià ka nanoratra hoe: «I Jôhany no anarany.» Nahagaga azy rehetra izany.


Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: –Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin’ny TOMPO izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra