Genesisy 14:9 - DIEM PROTESTANTA izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy i Tidala, mpanjakan’i Goima, ary i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy i Arioka, mpanjakan’i Elasara; mpanjaka efatra izany no niady tamin’ny mpanjaka dimy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra. Baiboly Katolika dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo. Baiboly Protestanta Malagasy dia tamin’Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ny Goima, sy Amrafela, mpanjakan’i Sinara, ary Arioka, mpanjakan’i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ny mpanjaka dimy. Malagasy Bible dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy. La Bible en Malgache dia tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy i Tidala, mpanjakan’i Goima, ary i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy i Arioka, mpanjakan’i Elasara; mpanjaka efatra izany no niady tamin’ny mpanjaka dimy. |
Tamin’izany andro izany, i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, i Ariôka mpanjakan’i Elasara, i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, ary i Tidehala mpanjakan’i Goîma,
Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.
Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,
Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.