Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 49:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Elama, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 49:34
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama.


Tamin’izany andro izany, i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, i Ariôka mpanjakan’i Elasara, i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, ary i Tidehala mpanjakan’i Goîma,


izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra.


«Avy amin’i Rehoma governora sy amin’i Simsay mpitantsoratra ary avy amin’ireo namany hafa mifehy ny valovotaka: dia ny Dinaîta sy Afarsatekita ary Tarpelita, ny Afarsaîta sy Arkevita ary Babilônianina, ny Sosanita sy Dehavita ary Helamita,


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»


–ireo mpanjaka rehetra any Zimrỳ sy any Helama ary any Media;


Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:


Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho.


Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra