Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 12:4 - DIEM PROTESTANTA

Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana.

Jereo ny toko



Genesisy 12:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy no taranak’i Tera, rain’i Abrama sy i Nahôra ary i Haràna. I Haràna dia niteraka an’i Lôta,


Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.


Ary i Lôta izay niara-dia tamin’i Abrama koa dia nanana andian’omby aman’ondry sy tranolay maro.


Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara.


Nalain’i Saray vadin’i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an’i Abrama mba hovadîny; ary efa folo taona no nipetrahan’i Abrama tao amin’ny tany Kanahàna tamin’izay.


Nahatratra dimy amby fitopolo amby zato taona no nahaveloman’i Abrahama,


Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.


Dia nandao ny tanin’ny Kaldeanina i Abrahama ka nifindra monina tany Haràna. Rehefa maty irainy, dia nafindran’Andriamanitra avy tany Haràna izy hanketo amin’ity tany izay onenanareo ankehitriny ity.


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra azy.