Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 11:2 - DIEM PROTESTANTA

Saingy rehefa nikisaka niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka tao amin’ny tany Sinehara ary niorim-ponenana tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha niainga avy any atsinanana ny olona dia nahita lohasaha tany amin’ny tany Sinara ka nonina tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Saingy rehefa nikisaka niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka tao amin’ny tany Sinehara ary niorim-ponenana tao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ny tany Sinara izy ka nonina teo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha niainga avy any atsinanana ny olona dia nahita lohasaha tany amin’ny tany Sinara ka nonina tao.

Jereo ny toko



Genesisy 11:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.


Fiteny iray ihany ary voambolana mitovy no nampiasaina tamin’ny tany tontolo.


Izany no niantsoana io tanàna io hoe Babèla, satria tao no nanakorontanan’ny TOMPO ny fitenin’ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo.


Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.


Tamin’izany andro izany, i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, i Ariôka mpanjakan’i Elasara, i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, ary i Tidehala mpanjakan’i Goîma,


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Ka hoy izy tamiko: Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.