Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 11:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Izany no niantsoana io tanàna io hoe Babèla, satria tao no nanakorontanan’ny TOMPO ny fitenin’ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela satria tao NY TOMPO no nampisavorovoro ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy tao no nampielezan’NY TOMPO ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Izany no niantsoana io tanàna io hoe Babèla, satria tao no nanakorontanan’ny TOMPO ny fitenin’ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan’i Iaveh ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan’i Iaveh azy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela satria tao NY TOMPO no nampisavorovoro ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy tao no nampielezan’NY TOMPO ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 11:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.


Ireo no zanakalahin’i Hama voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin’ny taniny sy ny fireneny avy.


I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna.


Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.


Ho dodona hamonjy fialofana aho, tsy ho tratry ny tafiotra sy ny oram-baratra.»


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


Koa raha vory daholo ny mpiangona, ka fiteny tsy fantatra no itenenan’ny olona rehetra, ary misy miditra ao aminareo ny mbola tsy mahalala na ny tsy mpino, tsy holazainy ve fa very saina ianareo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra