Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 11:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Koa tao ny TOMPO no nampiely ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo; ary dia nilaozan’ireo ny fananganana ilay tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Avy tao no nampielezan’NY TOMPO azy ireo manerana ny tany manontolo; dia nitsahatra tsy nanorina ilay tanàna intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Koa tao ny TOMPO no nampiely ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo; ary dia nilaozan’ireo ny fananganana ilay tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia napariak’i Iaveh avy eo izy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Avy tao no nampielezan’NY TOMPO azy ireo manerana ny tany manontolo; dia nitsahatra tsy nanorina ilay tanàna intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 11:8
10 Rohy Ifampitohizana  

I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna.


Ireo no foko avy amin’ny zanakalahin’i Noà araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin’ireo no niavian’ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian’ny safo-drano.


Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.


Avy teo dia hoy koa ireo hoe: «Andeha isika hanorina tanàna misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin’izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin’ny velaran’ny tany.»


Izany no niantsoana io tanàna io hoe Babèla, satria tao no nanakorontanan’ny TOMPO ny fitenin’ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo.


Ho voaozona anie ny hatezerany tafahoatra ary ny havinirany tsy mifaditrovana. Haparitako ny taranany ka haeliko eran’i Israely.


Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;


Ianao, TOMPO ô, no ambony indrindra ka mitoetra ho mandrakizay!


Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery; ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.


Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo ka nampiely ny taranak’olombelona, dia nozarazarainy am-paritany ireny araka ny isan’ireo anjely:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra