Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ka hoy izy tamiko: Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ka hoy izy tamiko: Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia hoy ny navaliny ahy: «Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin’ny tany Senaara, ka rehefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin’ny fitoerany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ny fipetrahany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 5:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.


Saingy rehefa nikisaka niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka tao amin’ny tany Sinehara ary niorim-ponenana tao.


Tamin’izany andro izany, i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, i Ariôka mpanjakan’i Elasara, i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, ary i Tidehala mpanjakan’i Goîma,


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


Koa hadisoanao mihitsy raha toa izy afaka nandefa taratasy tatỳ aminay atỳ Babilôna mba hilaza aminay fa hijanona maharitra ho babo atỳ izahay. Nasainy hanorina trano aza izahay mba hipetrahanay ary nasainy hamboly zaridaina mba hihinananay ny vokatra avy aminy.»


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Hoentin’izy ireo aiza moa ity vata?


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


dia fery mahatsiravina, eny fery sy aretina samy màzana sy maharitra ela, no hataon’ny TOMPO mianjady aminareo sy amin’ny taranakareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra