Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.
Genesisy 10:9 - DIEM PROTESTANTA I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mpihaza mahery teo anatrehan’NY TOMPO izy, koa izany no nanaovan’ny olona hoe: Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.» Baiboly Katolika Mpihaza mahery teo anatrehan’i Iaveh izy, ka izany no anaovan’ny olona hoe: Tahaka an’i Nemrôda mpihaza mahery eo anatrehan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah, ka izany no nanaovan’ny olona hoe: ,Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’i Jehovah.’ Malagasy Bible Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah. La Bible en Malgache Mpihaza mahery teo anatrehan’NY TOMPO izy, koa izany no nanaovan’ny olona hoe: Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’NY TOMPO. |
Ny tanàna lehibe tao amin’ny fanjakany dia i Babèla sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin’ny tany Sinehara.
Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
Nivoaka ny efitrano i Jakôba, nony vitan’i Itsehàka ny fitsofan-drano azy. Nefa raha vao nidify teo anatrehan’ny rainy izy, dia tonga kosa i Hesao rahalahiny avy nihaza.
Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.
Tamin’ny andro nanaovana fahirano azy, dia mbola nanao izay nahadiso amin’ny TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io.
Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity. Fiatoana
Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.
ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ianareo izay manjaitra fehitanana ho an’ny hato-tanana rehetra, ary manjaitra fehivozona ho an’ny olona isan-karazany mba hangejanareo ny ainy. Tianareo hogejaina ny ain’ny olona anisan’ny vahoakako mba hiarovana ny ainareo.
Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.