Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 27:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Nivoaka ny efitrano i Jakôba, nony vitan’i Itsehàka ny fitsofan-drano azy. Nefa raha vao nidify teo anatrehan’ny rainy izy, dia tonga kosa i Hesao rahalahiny avy nihaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Rehefa vita ny fitsofan-drano nataon’Isaka an’i Jakoba ka vao nidify teo anatrehan’Isaka rainy izy dia niditra kosa i Esao rahalahiny avy nihaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Nivoaka ny efitrano i Jakôba, nony vitan’i Itsehàka ny fitsofan-drano azy. Nefa raha vao nidify teo anatrehan’ny rainy izy, dia tonga kosa i Hesao rahalahiny avy nihaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Vao avy nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka, ary vao nandao an’i Isaaka rainy i Jakôba, no tonga avy any am-pihazana kosa i Esao, rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary rehefa vita ny nitsofan’Isaka rano an’i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan’Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Rehefa vita ny fitsofan-drano nataon’Isaka an’i Jakoba ka vao nidify teo anatrehan’Isaka rainy izy dia niditra kosa i Esao rahalahiny avy nihaza.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:30
4 Rohy Ifampitohizana  

I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.»


Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Nanamboatra hanim-py koa izy dia nitondra izany tany amin’ny rainy sady niteny taminy hoe: –Miarena, ry dada, mihinàna amin’ny haza namboariko, mba hitsofanao rano ahy.


Fantatrareo fa te hahazo ny tsodranon-drainy izy tatỳ aoriana, kanefa dia nolavina; satria tsy afaka hanova ny efa nataony izy, na dia nitady fatratra tamin-dranomaso aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra