Genesisy 27:29 - DIEM PROTESTANTA29 Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201129 Hanompo anao anie ny firenena maro ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samihafa! Ho tompo amin’ny rahalahinao anie ianao ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao ary hohasoavina anie izay manisy soa anao! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara29 Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao! Jereo ny tokoBaiboly Katolika29 Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon’ny rahalahinao anie hianao, Ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, Ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. Jereo ny tokoMalagasy Bible29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. Jereo ny toko |
Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»
Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»