Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 10:25 - DIEM PROTESTANTA

I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Ebera dia niteraka roa lahy: Ny anaran’ny iray dia natao hoe Pelega satria tamin’ny androny no nizarana ny tany, ary Joktana no anaran’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Roa lahy no zanak’i Ebera, ka Falega no anaran’ny anankiray, fa tamin’ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Ebera dia niteraka roa lahy: Ny anaran’ny iray dia natao hoe Pelega satria tamin’ny androny no nizarana ny tany, ary Joktana no anaran’ny rahalahiny.

Jereo ny toko



Genesisy 10:25
10 Rohy Ifampitohizana  

I Sema zokin’i Jafeta dia mba niteraka ihany koa, fa izy no razamben’i Hebera sy ny taranany.


I Jôktàna no rain-dry i Almôdada sy i Selefa, i Hatsarmavèty sy i Jerà,


Ireo no foko avy amin’ny zanakalahin’i Noà araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin’ireo no niavian’ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian’ny safo-drano.


Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.


i Hebera niteraka zanaka roa lahy: ny anaran’ny voalohany dia i Pelega (izay midika hoe «Fizarana») satria tamin’ny androny no nizara ny olombelona teto an-tany; ary i Jôktàna no anaran’ny rahalahiny.


Ireny razana ireny ihany rahateo no efa nomen’Andriamanitra ity tany ity ary tsy nisy vahiny nifangaroharo taminy.


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo ka nampiely ny taranak’olombelona, dia nozarazarainy am-paritany ireny araka ny isan’ireo anjely: