Mahafaly ahy ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fôrtnato ary i Akaîko, fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo.
Filemona 1:13 - DIEM PROTESTANTA Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin’ny Vaovao Mahafaly izao, mba ho solonao mikarakara ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Saika nohazoniko tatỳ amiko izy mba hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny Filazantsara, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin’ny Vaovao Mahafaly izao, mba ho solonao mikarakara ahy. Baiboly Katolika Nikasa hihazona azy tatỳ amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely; Baiboly Protestanta Malagasy saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny filazantsara; Malagasy Bible saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara; La Bible en Malgache Saika nohazoniko tatỳ amiko izy mba hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny Filazantsara, |
Mahafaly ahy ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fôrtnato ary i Akaîko, fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo.
Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin’i Kristy Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin’Andriamanitra ho anareo.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin’ny Tompo: manàna fitondrantena mendrika ny fiantsoan’Andriamanitra anareo.
Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly.
fa ny asan’i Kristy no saika nahafaty azy: nanao vy very ny ainy izy hanatanteraka izay tsy azonareo natao, dia ny fitondrana ilay fanampianareo hatratỳ amiko.
Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voafonja noho ny amin’i Kristy Jesoa. Mamangy anao aho, ry Filemôna, ary mamangy anao i Timôty havantsika, dia ianao izay malalanay sy mpiara-miasa aminay.
ka fiangaviana no ataoko aminao ho an’i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja.