Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Filemona 1:10 - DIEM PROTESTANTA

10 ka fiangaviana no ataoko aminao ho an’i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Eny, miangavy anao aho ny amin’ny zanako izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia i Onesimosy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 ka fiangaviana no ataoko aminao ho an’i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Eny, miangavy aminao aho ny amin’ny zanako, izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia Onesimosy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Eny, miangavy anao aho ny amin’ny zanako izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia i Onesimosy,

Jereo ny toko dika mitovy




Filemona 1:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Nandidy an’i Jôaba sy Abisay ary Itàhy ny mpanjaka hoe: –Noho ny amiko, dia aoka ianareo tsy hikasi-tanàna ny zatovolahy Absalôma. Ary ny miaramila rehetra dia samy nandre ny nanomezan’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma.


Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.


Ry havana, satria efa nanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an’Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.


Tsy ny hanome henatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo, araka ny maha zanaka malalako anareo.


Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin’izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin’i Kristy Jesoa tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly.


Rey anaka, mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza indray aho, mandra-pahatongan’ny endrik’i Kristy ho voasokitra ao anatinareo.


Miaraka aminy koa i Ônesimo, ilay hava-malala sy mahatoky avy atỳ aminareo; ka dia izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny toe-javatra rehetra atỳ aminay.


Mamangy anao aho, ry Timôty, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Tompontsika!


Mamangy anao aho, ry Tito, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana iombonantsika. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!


Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao.


Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin’ny Vaovao Mahafaly izao, mba ho solonao mikarakara ahy.


Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra