Ary hoy ny amperôra tamin’i Estera mpanjakavavy: –Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy, ankoatran’izy folo lahy zanak’i Hamàna; ka ho toy inona no nataony tany amin’ny faritany sisa? Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany.
Fa ny Jiosy tao Sosany kosa nivory hamono fahavalo tamin’ny andro faha-13 sy faha-14; ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-15, ka dia io no nataony ho andro fanasana sy firavoravoana.
Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho.