Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 9:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Fa ny Jiosy tao Sosany kosa nivory hamono fahavalo tamin’ny andro faha-13 sy faha-14; ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-15, ka dia io no nataony ho andro fanasana sy firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa dia nivory tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’io volana io ihany sy tamin’ny andro fahefatra amby folo koa. Nitsahatra tamin’ny andro fahadimy amby folo izy ireo koa io no nataony andro fifanasana sy firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa ny Jiosy tao Sosany kosa nivory hamono fahavalo tamin’ny andro faha-13 sy faha-14; ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-15, ka dia io no nataony ho andro fanasana sy firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folo tamin’io ihany sy tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folo koa; ary nitsahatra tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa dia nivory tamin’ny andro fahatelo amby folo tamin’io volana io ihany sy tamin’ny andro fahefatra amby folo koa. Nitsahatra tamin’ny andro fahadimy amby folo izy ireo koa io no nataony andro fifanasana sy firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 9:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Voarakitry ny taratasy fa ny Jiosy isan-tanàna misy azy dia nomen’ny amperôra lalana hivory hiaro ny ainy. Navela koa ry zareo handringana sy hamono ho ripaka izay andian’olona mamely azy any amin’ny firenena sy faritany isan-tokony; azony atao aza ny mamono ny vady aman-janak’ireo sy ny mandroba ny fananany.


Nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana faha-12 na volana Adara. Io andro io no natao hampiharana ny teny aman-didin’ny amperôra ary nantenain’ireo fahavalon’ny Jiosy haharesena azy. Kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jiosy indray no naharesy ny mpankahala azy.


Androtr’izay ihany dia nambara tamin’ny amperôra ny isan’ny voavono tao Sosany renivohitra.


Dia hoy i Estera hoe: –Raha sitrakao, ry Andriamanjaka, dia aoka ny Jiosy eto Sosany homen-dalana hanao toy ny nataony androany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin’ny hazo ireo fatin’izy folo lahy zanak’i Hamàna!


Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin’ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.


Tany amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa, dia nivory tao an-tanànany avy ny Jiosy mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahatohitra azy, satria nanindry ny olona rehetra ny fahatahorana azy.


Niangavian’i Môrdôkay ry zareo mba hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin’ny volana Adara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra