Daniela 8:2 - DIEM PROTESTANTA2 Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Nahita tamin’ny fahitana aho, koa raha mbola nijery aho, dia indro, tao Sosana, tanàna mimanda izay ao amin’ny fari-piadidiana Elama no nisy ahy; hitako tamin’ity fahitana ity fa teo amoron’ny ony Olay aho. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ny lapan’ny mpanjaka izay ao amin’ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka teo amoron’ny ony Olay aho. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 Nahita tamin’ny fahitana aho, koa raha mbola nijery aho, dia indro, tao Sosana, tanàna mimanda izay ao amin’ny fari-piadidiana Elama no nisy ahy; hitako tamin’ity fahitana ity fa teo amoron’ny ony Olay aho. Jereo ny toko |
Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, fony izy nitoetra tamin’ny sezafiandrianana maha andriamanjaka azy tao Sosany renivohitra, dia nanaovany fanasana ireo rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany; tonga teo anatrehany koa ny filohan’ny tafik’i Persia sy i Media ary ny governora sy ny mpitondra isam-paritany.
Tamin’ny fahatelopolon-taonako, fony andro fahadimin’ny volana fahefatra, izaho Ezekiela zanakalahin’i Bozỳ mpisorona dia tao anivon’ireo Jiosy babo teo amoron’ny ony Kebara; nisokatra ny lanitra ary nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho. Taona fahadimy taorian’ny naha lasan-ko babo an’i Jôiakina mpanjaka tamin’izay. Koa teo amoron’io ony Kebara tany amin’ny tanin’ny Babilônianina io, no nisy tenin’ny TOMPO tamiko, sady nihazona ahy tamin’ny heriny IZY.
«Any koa no tafangona ny tafika helamita manontolo sady voahodidin’ny fasany; samy voatrabaka sy maty an’ady avokoa izy rehetra. Ireo tsy voafora ireo, izay nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona, dia naidina any ambanin’ny tany. Izao izy rakotry ny henatra miaraka amin’ireo efa tafidina any.
Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, nandritra ny fahitana: ny mpitaingina dia manana fiarovantratra mena toy ny afo sy manga toy ny vatosoa safira ary mavo toy ny solifara; ny soavaly kosa dia tahaka ny lohan-diona ny lohany, ary nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany.