Tamin’ny fahatelopolon-taonako, fony andro fahadimin’ny volana fahefatra, izaho Ezekiela zanakalahin’i Bozỳ mpisorona dia tao anivon’ireo Jiosy babo teo amoron’ny ony Kebara; nisokatra ny lanitra ary nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho. Taona fahadimy taorian’ny naha lasan-ko babo an’i Jôiakina mpanjaka tamin’izay. Koa teo amoron’io ony Kebara tany amin’ny tanin’ny Babilônianina io, no nisy tenin’ny TOMPO tamiko, sady nihazona ahy tamin’ny heriny IZY.