Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 3:9 - DIEM PROTESTANTA

Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan’ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana ny didy handringanana ireny, dia handanja volafotsy iray alina talenta aho mba homena ireo mpanao raharaha ka harotsaka ao amin’ny fitahirizan-drakitry ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan’ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana ny didy handringanana ireny, dia handanja volafotsy iray alina talenta* aho mba homena ireo mpanao raharaha ka harotsaka ao amin’ny fitahirizan-drakitry ny mpanjaka.

Jereo ny toko



Estera 3:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifanaraka tamin’i Hefrôna i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan’ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin’ny mpivarotra.


Dia nesorin’ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an’ilay fahavalon’ny Jiosy, dia i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga;


Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa: –Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.


ary nambaran’i Môrdôkay taminy avokoa ny zava-drehetra nanjo azy sy ny tontalim-bola nokasain’i Hamàna haloa ho ao an-trano firaketan’ny amperôra noho ny handringanana ny Jiosy.


Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.


Tamin’izay fotoana izay dia nisy lehilahy babilônianina sasany tonga hiampanga ny Jiosy.


Raha vao natomboka ny fampamoahana, dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka ity mpanompo izay nananany trosa denàry enimpolo tapitrisa.