Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa: –Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakanao; ny lalànan’izy ireo dia hafa noho ny an’ny firenena rehetra, ary tsy mba mankatò ny didin’ny mpanjaka izy ireo; tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ireo amin’izao fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa: –Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hoy Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakanao; ny lalànan’izy ireo dia hafa noho ny an’ny firenena rehetra, ary tsy mba mankatò ny didin’ny mpanjaka izy ireo; tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ireo amin’izao fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 3:8
25 Rohy Ifampitohizana  

Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.


Tsarovy ilay teny nasainao nolazain’i Mosesy mpanomponao hoe: «Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin’ny firenen-kafa;


Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan’ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.


Nony fantatr’i Môrdôkay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan’ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy.


«Tsy mba voamarikao angaha fa lazain’ny olona hoe nariako hono ireo fianakaviana roa nofidiko, dia i Israely sy i Joda? Izay miteny izany anefa dia tsy mihevitra ny vahoakako ho firenena intsony fa manevateva azy.


I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.


Noho izany, ambarao amin’ireo namanao babo fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Na dia nalefako any an-tany lavitra sy naeliko any anivon’ny firenen-kafa aza ianareo, dia manatrika anareo Aho tahaka ny ao amin’ny Toeramasina ihany.»


Nefa hitazonako sisa tavela ihany aminareo, dia ireo afaka tamin’ny ady teo anivon’ny hafa firenena rehefa voaely ho any an-tany hafa ianareo.


Tamin’izay fotoana izay dia nisy lehilahy babilônianina sasany tonga hiampanga ny Jiosy.


dia nanatona ny mpanjaka izy ary niteny teo anatrehany momba ilay didy ka nanao hoe: –Ry mpanjaka ô, moa tsy nisy didy nosoniavinao va fa ato anatin’ny telopolo andro, na zovy na zovy no hanao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Dia namaly kosa ny mpanjaka nanao hoe: –Marina tokoa izany, dia araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.


Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –I Daniela, isan’ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka ô; fa intelo isan’andro izy no manao fivavahana amin’ny Andriamaniny.


Ianareo kosa, ady no hapoakako hamelezana anareo ka haeliko any amin’ny firenen-kafa ianareo; dia ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.


Fa naeliko ho any amin’ny firenena isan-tokony izay tsy fantany akory izy. Tany lao no sisa navelany taoriany, ka tsy nivezivezen’olona intsony. Ary ilay taniny nahafinaritra iny dia nataony tonga taniefitra.»


Rehefa jereko avy eto an-tampon’ny vatolampy ary rehefa tazaniko avy eto an-tampon-kavoana izany vahoaka israelita izany, dia vahoaka mitoka-monina no fahitako azy, sady miavaka amin’ny firenen-kafa rehetra.


Tamin’izay ny manampahefana jiosy dia nifampilaza hoe: –Aiza no toerana halehan’ilay io no tsy ho hitantsika Izy? Hankany amin’ireo Jiosy miely any amin’ny Grika ve Izy ka hampianatra ny Grika?


Tsikaritray fa mampidi-doza mihitsy io lehilahy io: mpampikorontana ny Jiosy any am-pielezana izy sady mitarika ny antoko Nazareanina.


Fa sitrakay ny handre izay fiheveranao, satria fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana misy anao izany.


Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo.


«Nokasaiko haparitaka ireo ka ho foana eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,


Haelin’ny TOMPO any amin’ny firenen-tsamy hafa ianareo; ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Avy amiko Jakôba ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sady mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo. Miarahaba anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra miely patrana eran-tany aho.


Avy amiko Petera ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Jesoa Kristy. Mamangy anareo olom-boafidin’Andriamanitra aho, dia ianareo mpivahiny miely patrana any amin’ny faritany Pônto, Galatia, Kapadôsia, Azia sy Bitinia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra