Ato anatin’ny telo andro dia hoesorin’ny Farao amin’ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin’ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao.
Estera 2:23 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nofotorana izany zavatra izany, dia hita fa marina; ka dia nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy. Ary teo anatrehan’ny amperôra no nanoratana izany raharaha izany tao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo amperôra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nohadihadiana izany zavatra izany dia hita fa marina ka nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy. Nosoratana tao amin’ny bokin’ny tantara teo anatrehan’ny mpanjaka izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nofotorana izany zavatra izany, dia hita fa marina; ka dia nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy. Ary teo anatrehan’ny amperôra no nanoratana izany raharaha izany tao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo amperôra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ny bokin’ny tantara teo anatrehan’ny mpanjaka izany. Malagasy Bible Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany. La Bible en Malgache Rehefa nohadihadiana izany zavatra izany dia hita fa marina ka nahantona tamin’ny hazo izy roa lahy. Nosoratana tao amin’ny bokin’ny tantara teo anatrehan’ny mpanjaka izany. |
Ato anatin’ny telo andro dia hoesorin’ny Farao amin’ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin’ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao.
fa ilay lehiben’ny mpanao mofo kosa dia nasainy nahantona. Dia araka izay efa nambaran’i Jôsefa tamin’izy roa lahy avy izany.
Aoka hozahanao ny boky mirakitra ny tantaran-drazanao; dia ho hitanao sy ho fantatrao fa tanàna nikomy hatrany io tanàna io.
Izay rehetra nataony araka ny fahefana sy ny herimpo nananany ary koa ny andinindininy momba ny nanondrotany an’i Môrdôkay dia efa voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Asan’ireo amperôran’i Media sy i Persia.
Dia hoy i Zeresa vadin’i Hamàna sy ireo sakaizany rehetra taminy: –Aoka ianao hampanamboatra hazo fanantonana ka ho 25 metatra ny haavony; ary raha maraina dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Môrdôkay. Avy eo dia mandehana amin-kafaliana ianao miaraka amin’ny amperôra ho any amin’ny fanasana. Ary sitrak’i Hamàna izany hevitra izany ka dia nampanamboariny tokoa ilay hazo.
Tsy nahita tory ny amperôra tamin’iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan’ireo amperôra; ary novakîna teo anatrehan’ny amperôra izany.
Ary nahantona tamin’ilay hazo efa nomaniny hanantonana an’i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran’ny amperôra.
Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany.
Ny mpanjakan’i Hay kosa nahantona tamin’ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan’ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa naidina ny faty, ka natsipy teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.