Ary hoy koa i Davida tamin’i Abisay sy ny minisitra rehetra: –Raha ny zanakalahy naterako aza no mitady ny aiko, ka mainka fa io Benjaminita io! Aoka izy hanozona ahy, raha ny TOMPO no nibaiko azy hanao izany.
Estera 2:21 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany, raha nanao ny asam-panjakana tao an-dapa i Môrdôkay, dia tezitra tamin’i Kserksesa i Bigtana sy i Taresa anisan’ny tandapa mpiambina teo am-baravaran’ny efitranon’ny amperôra; ka nitady hamono an’i Kserksesa izy roa lahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany, raha nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay, dia tezitra i Bigtana sy i Taresy, roa lahy tamin’ireo ionòkan’ny mpanjaka sady mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany, raha nanao ny asam-panjakana tao an-dapa i Môrdôkay, dia tezitra tamin’i Kserksesa i Bigtana sy i Taresa anisan’ny tandapa mpiambina teo am-baravaran’ny efitranon’ny amperôra; ka nitady hamono an’i Kserksesa izy roa lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ny tsindranolahin’ ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka izy. Malagasy Bible Tamin'izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany, raha nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay, dia tezitra i Bigtana sy i Taresy, roa lahy tamin’ireo ionòkan’ny mpanjaka sady mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka. |
Ary hoy koa i Davida tamin’i Abisay sy ny minisitra rehetra: –Raha ny zanakalahy naterako aza no mitady ny aiko, ka mainka fa io Benjaminita io! Aoka izy hanozona ahy, raha ny TOMPO no nibaiko azy hanao izany.
Fa nioko hamely azy i Zimrỳ manamboninahiny sady komandin’ny antsasaky ny mpitondra kalesy. Koa fony i Elà nisotro sy nimamo tao Tiritsà tao an-tranon’i Aretsà filohan’ny tandapa,
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.
Dia nisy famoriana tovovavy fanindroany, ka tamin’izay i Môrdôkay efa mpiasam-panjakana tao an-dapan’ny amperôra.
Tsy nahita tory ny amperôra tamin’iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan’ireo amperôra; ary novakîna teo anatrehan’ny amperôra izany.
Ka hita voasoratra tao fa i Môrdôkay no nanambara ny amin’i Bigtana sy i Taresa, roa lahy anisan’ny tandapan’ny amperôra, dia ireo mpiambina teo am-baravaran’ny efitranony kanefa nitady hamono an’i Kserksesa.
Noho ny fangatahan’i Daniela tamin’ny mpanjaka dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao no voatendrin’i Nebokadnetsara hitondra ny faritanin’i Babilôna; fa i Daniela kosa lasa mpanolotsainan’ny mpanjaka.