Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 2:49 - DIEM PROTESTANTA

49 Noho ny fangatahan’i Daniela tamin’ny mpanjaka dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao no voatendrin’i Nebokadnetsara hitondra ny faritanin’i Babilôna; fa i Daniela kosa lasa mpanolotsainan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

49 Dia nangataka tamin’ny mpanjaka i Daniela mba hanendreny an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ho tonian’ny raharahan’ny faritanin’i Babilona. Ary i Daniela kosa dia teo am-bavahadin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

49 Noho ny fangatahan’i Daniela tamin’ny mpanjaka dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao no voatendrin’i Nebokadnetsara hitondra ny faritanin’i Babilôna; fa i Daniela kosa lasa mpanolotsainan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

49 Ary Daniela nangataka tamin’ny mpanjaka, ary izy nanendry an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ny raharahan’i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

49 Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

49 Dia nangataka tamin’ny mpanjaka i Daniela mba hanendreny an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ho tonian’ny raharahan’ny faritanin’i Babilona. Ary i Daniela kosa dia teo am-bavahadin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 2:49
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nisy famoriana tovovavy fanindroany, ka tamin’izay i Môrdôkay efa mpiasam-panjakana tao an-dapan’ny amperôra.


Tamin’izany andro izany, raha nanao ny asam-panjakana tao an-dapa i Môrdôkay, dia tezitra tamin’i Kserksesa i Bigtana sy i Taresa anisan’ny tandapa mpiambina teo am-baravaran’ny efitranon’ny amperôra; ka nitady hamono an’i Kserksesa izy roa lahy.


Ny mpandraharaha rehetra tao an-dapa dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamàna, satria izany no didin’ny amperôra. Fa i Môrdôkay kosa tsy mba nety nanao izany.


Rehefa mandresy ny olo-marina, dia ankalazain’ny besinimaro; fa rehefa ny olon-dratsy no mahery, dia ieren’ny olona.


Nisesika niditra tao an-tanàna ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ary naka toerana teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben’ireo tandapa, ary koa ireo manamboninahitra sisa rehetran’ny Babilôna.


Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.


Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hananià nantsoiny hoe Sadràka, i Misaela nantsoiny hoe Mesàka, ary i Hazarià nantsoiny hoe Habeda-Negao.


Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an’i Hananià sy i Misaela ary i Hazarià namany ny toe-javatra;


Ary Nebokadnetsara mpanjaka nampanao sarivongan’olona volamena; telopolo metatra ny haavony ary telo metatra ny sakany. Ka nasainy natsangana teo amin’ny tany lemaka Dorà, tao amin’ny faritanin’i Babilôna, izany.


Sitrak’i Dariôsa ny hanendry solotenan’andriamanjaka 120 izay hanapaka manerana ny fanjakana.


Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, ary ampitoero ao amin’ny fitsarana indray ny rariny; Angamba ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao hamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Jôsefa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra