I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera sy izay anaovan’ny olona azy.
Estera 2:10 - DIEM PROTESTANTA Tsy nolazain’i Estera ny fireneny na firazanany, satria nopeperan’i Môrdôkay izy mba tsy hilaza izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany anefa i Estera satria namepetra azy i Mordekay mba tsy hilaza izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nolazain’i Estera ny fireneny na firazanany, satria nopeperan’i Môrdôkay izy mba tsy hilaza izany. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’i Mordekay mba tsy hilaza izany izy. Malagasy Bible Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy. La Bible en Malgache Tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany anefa i Estera satria namepetra azy i Mordekay mba tsy hilaza izany. |
I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera sy izay anaovan’ny olona azy.
I Estera kosa tsy nilaza ny firazanany na fireneny araka ny nameperan’i Môrdôkay azy; satria nankatoavin’i Estera hatrany ny tenin’i Môrdôkay tahaka ny fony izy mbola notezainy ihany.
Nitaiza an’i Hadasà (na hoe Estera) zanakavavin’ny rahalahin-drainy izy. Soa sady tsara tarehy razazavavy ary rehefa maty irainy sy ireniny, dia natsangan’i Môrdôkay ho zanany.
Ary hoy i Hamàna tamin’ny amperôra Kserksesa: –Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eny amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana; maningana io firenena io ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra sady tsy mba mankatò ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin’izao.
Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.
–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.
Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany.
Dia nidina nankany am-pamoloana izy ary nanao araka izay rehetra nodidian-drafozany azy.