Tamin’i Israely manontolo dia tsy nisy lehilahy tsara tarehy sy nodokafana fatratra tahaka an’i Absalôma; fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
Estera 1:11 - DIEM PROTESTANTA ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba hitondra an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ny olona sy ny mpitondra ny bikany fa tsara tarehy izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy mba hitondra an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ny olona sy ny mpanapaka ny hatsara-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy. Malagasy Bible ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy. La Bible en Malgache mba hitondra an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ny olona sy ny mpitondra ny bikany fa tsara tarehy izy. |
Tamin’i Israely manontolo dia tsy nisy lehilahy tsara tarehy sy nodokafana fatratra tahaka an’i Absalôma; fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
Nampitain’izy fito lahy tamin’ny mpanjakavavy ny tenin’ny amperôra fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperôra ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany.
Naharaiki-pitia ny amperôra mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin’ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan’ny amperôra. Ary nosatrohan’i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an’i Vastỳ.
dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.
Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.
I Nabala no anaran’izany lehilahy izany, ary i Abigaîla kosa ny vadiny. Ramatoa dia hendry no tsara tarehy, fa rangahy kosa lozabe sady ratsy fanahy. Avy amin’ny taranak’i Kaleba io Nabala io.