Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 2:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Naharaiki-pitia ny amperôra mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin’ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan’ny amperôra. Ary nosatrohan’i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an’i Vastỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy hafa rehetra i Estera ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijiny hafa rehetra. Nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’i Vasty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Naharaiki-pitia ny amperôra mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin’ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan’ny amperôra. Ary nosatrohan’i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an’i Vastỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an i Vasty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy hafa rehetra i Estera ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijiny hafa rehetra. Nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’i Vasty.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 2:17
10 Rohy Ifampitohizana  

ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy.


Nentina hankao an-dapa ho any amin’ny amperôra izy tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Kserksesa, volana fahafolo na volana Tebeta.


Raha hangina mihitsy ianao amin’ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa ho an’ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»


dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»


Izy no manarina ny fadiranovana hiala amin’ny vovoka ary mampitsangana ny mahantra hiala amin’ny fako mba hanome azy toeram-boninahitra ka hampitoetra azy miaraka amin’ny mpitondra. Fa an’ny TOMPO ny tany tontolo satria Izy no nametraka azy eo amin’ny andry fiorenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra