Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 dia aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 dia aoka halaina ny fanamiam-piandrianana efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao sady voaisy satroboninahitra ny lohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 dia aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 6:8
7 Rohy Ifampitohizana  

dia nobaikoiny hoe: –Vorio ny miaramila mpiambina ahy, dia ampitaingeno ny borikivaviko i Salômôna zanako, ka ento midina any Gihôna izy.


ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy.


Naharaiki-pitia ny amperôra mihoatra noho ny vehivavy hafa i Estera; ka tamin’ireo tovovavy rehetra ireo, dia izy no nahazo fitia sy fanambinana teo anatrehan’ny amperôra. Ary nosatrohan’i Kserksesa ny satroboninahi-piandrianana izy sady nambarany ho mpanjakavavy hisolo an’i Vastỳ.


ka dia namaly azy hoe: –Ny amin’izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka,


Nahita mpanompo mitaingin-tsoavaly aho ary olona ambony mandeha tongotra toy ny mpanompo.


Fa hoy kosa irainy tamin’ireo mpiasa: «Ento atỳ faingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio kapa ny tongony.


Nalain’i Jônatàna ny akanjobe teny aminy, dia nomeny an’i Davida; natolony azy koa ny akanjo fentiny miady mbamin’ny sabany sy ny tsipîkany ary ny fehikibony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra