Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 1:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Nampitain’izy fito lahy tamin’ny mpanjakavavy ny tenin’ny amperôra fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperôra ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nandà ny tenin’ny mpanjaka izay noentin’ireo ionòka anefa i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Nampitain’izy fito lahy tamin’ny mpanjakavavy ny tenin’ny amperôra fa tsy nety nandeha mihitsy izy. Dia nisafoaka mafy ny amperôra ka nirehitra izaitsizy ny fahatezerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa Vasty, vadin’ny mpanjaka, nandà ny tenin’ny mpanjaka nentin’ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa Vasty, vadin'ny mpanjaka, nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nandà ny tenin’ny mpanjaka izay noentin’ireo ionòka anefa i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 1:12
19 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Hampitomboiko ny fanaintainanao rehefa bevohòka ianao, ary fahoriana no hiterahanao ny zanakao; ny vadinao no hifatraran’ny fanirianao, nefa izy no hifehy anao.


ka nasainy hoentin’ireto tandapa ireto eo anatrehany i Vastỳ mpanjakavavy, misatroka ny satroboninahitra maha mpanjakavavy azy. Tiany haseho amin’ny manampahefana sy ny olon-kafa teo manko ny hatsaran-tarehin’i Vastỳ, satria maha te hizaha ravehivavy.


Ary nakany hevitra ireo olon-kendry lalim-pahaizana, satria ny raharahan’ny amperôra dia nalamina teo anatrehan’izay rehetra nahay lalàna sy fitsarana.


Ary tezitra mafy ny amperôra, dia niala teo amin’ny fanasana ho eny amin’ny zaridainan’ny lapa. I Hamàna kosa nahatsapa fa misy loza hamelezan’ny amperôra azy ka nijanona nangataka tamin’i Estera mpanjakavavy izy mba hotsimbinina ny ainy;


Tononkalo fananarana nataon’i Asafa . Andriamanitra ô, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao no irehetan’ny fahatezeranao?


TOMPO ô, mandra-pahoviana izahay no hitananao ny fahatezeranao sy ity fahasarotam-piaronao izay mandoro tahaka ny afo?


Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.


Fa novaliany hoe: –Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity.


Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; fa ny fitsimbinany kosa dia mahasoa toy ny ando amin’ny ahitra.


Ny fandrahonan’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; ka izay mampahatezitra azy tandindomin-doza.


Dia tezitra nisafoaka mafy noho izany rehetra izany ny mpanjaka, ka nanome baiko mba handringanana ny olon-kendry rehetra ao Babilôna.


Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo,


Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.


Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.


Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo toy ny anekenareo ny Tompo;


Koa tahaka ny aneken’ny Fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vavy ny lahy amin’ny zavatra rehetra.


Dia havahan’ny TOMPO tsy ho anisan’ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin’ny fanekempihavanana voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity.


Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; ka raha tàhiny misy tsy mety mino ny tenin’Andriamanitra, dia mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy; na tsy misy teny lazainareo aza, dia ho voataona izy


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra