natolony hasian’ny havandra ny biby fiompiny sy hasian’ny varatra ny omby aman’ondriny.
Eksodosy 9:6 - DIEM PROTESTANTA Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza. Baiboly Katolika Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony ampitso dia nataon’i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin’ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza. Malagasy Bible Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza. La Bible en Malgache Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza. |
natolony hasian’ny havandra ny biby fiompiny sy hasian’ny varatra ny omby aman’ondriny.
Namparin’Andriamanitra ny fahatezerany, ka tsy narovany tamin’ny fahafatesana ireo fa natolony velona ho azon’ny areti-mandringana;
«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.
Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Fa novalian’i Mosesy hoe: –Tsia, tsy afaka hanao izany izahay satria ny sorona haterinay amin’ny TOMPO Andriamanitray dia fady amin’ny Ejiptianina; koa raha mahita anay hanao sorona toy izany izy ireo, dia hitora-bato anay.
Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.
Saingy havahan’ny TOMPO ny biby fiompin’ny Israelita sy ny an’ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an’ny Israelita!»
Ary nanondro fotoanandro ny TOMPO ka nanao hoe: –Rahampitso no hanatanterahako izany zavatra izany eto Ejipta.