Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:25
8 Rohy Ifampitohizana  

naripany tamin’ny havandra ny voalobony sy tamin’ny fanala ny aviaviny;


natolony hasian’ny havandra ny biby fiompiny sy hasian’ny varatra ny omby aman’ondriny.


Koa ankehitriny àry, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.»


Dia nisy havandra niaraka amin’ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin’izay nahafirenena azy.


Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.


Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hampifofofofo rivo-mahery Aho noho ny hatezerako; handefa ora-mikija Aho noho ny fahavinirako ary handraraka ny havandra vaventy mpandrava Aho noho ny fisafoakako.


Fa iny nandositra teo anoloan’ny Israelita iny ry zareo, ka tonga teo am-pidinana avy ao Bety-Hôrôna, dia nandatsahan’ny TOMPO havandra vaventy avy tany an-danitra ambara-pahatongany tao Hazekà; ka be lavitra ny matin’ny havandra noho izay naripaky ny Israelita tamin’ny sabatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra