Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:4 - DIEM PROTESTANTA

Saingy havahan’ny TOMPO ny biby fiompin’ny Israelita sy ny an’ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an’ny Israelita!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO hanavaka ny biby fiompin’ny Israelita amin’ny bibin’ny Ejiptiana ka tsy hisy maty na dia iray akory aza izay rehetra an’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Saingy havahan’ny TOMPO ny biby fiompin’ny Israelita sy ny an’ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an’ny Israelita!»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin’ny Isiraely amin’ny bibin’ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an’ny Zanak’Isiraely na dia iray aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO hanavaka ny biby fiompin’ny Israelita amin’ny bibin’ny Ejiptiana ka tsy hisy maty na dia iray akory aza izay rehetra an’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Tsy afaka mifankahita ny Ejiptianina mandritra ny telo andro, ka tsy nisy nihetsika tao an-tranony. Fa teo amin’ny fonenan’ny Israelita rehetra kosa dia nisy mazava.


Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.


Havahako tsy ho voan’ny loza hanjo ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso no hiseho izany zava-mahagaga izany.»


Fa novalian’i Mosesy hoe: –Tsia, tsy afaka hanao izany izahay satria ny sorona haterinay amin’ny TOMPO Andriamanitray dia fady amin’ny Ejiptianina; koa raha mahita anay hanao sorona toy izany izy ireo, dia hitora-bato anay.


Ny faritany Gôsena izay nonenan’ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.


Ary nanondro fotoanandro ny TOMPO ka nanao hoe: –Rahampitso no hanatanterahako izany zavatra izany eto Ejipta.


Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.


Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.


Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.