Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:24 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisy havandra niaraka amin’ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin’izay nahafirenena azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nisy havandra, ary nisy afo nifanaretsaka teny anelanelan’ny havandra; mafy tokoa izany ary tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Ejipta manontolo hatrizay naha firenena azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy havandra niaraka amin’ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin’izay nahafirenena azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin’ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan'ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin'ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nisy havandra, ary nisy afo nifanaretsaka teny anelanelan’ny havandra; mafy tokoa izany ary tsy mbola nisy toy izany tany amin’ny tany Ejipta manontolo hatrizay naha firenena azy.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:24
11 Rohy Ifampitohizana  

fa voatahiriko ho amin’ny androm-pahoriana ireo, dia ny andro ifamelezana sy iadiana.


Havandra no narotsany ho solon’ny orana ary koa varatra izay nandoro ny tanetiny.


Manoloana Azy nisy hazavam-be ary koa rahona nandalo nifanesy niteraka havandra sy afo mitselatra.


Ho feno valala ny lapanao sy ny tranon’ny mpanomponao mbamin’ny an’ny Ejiptianina rehetra. Loza tsy mbola fahita ny toy izany hatramin’ny andron’ny razanao ka mandraka androany». Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ka lasa.


Noho izany, rahampitso amin’ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro niorenan’ny Ejipta ka mandraka androany.›


Natsangan’i Mosesy nanondro lanitra ny tehiny, dia nampisy kotrokorana sy havandra ny TOMPO: nilatsaka ny varatra, ary nampirotsaka havandra tamin’ny tany Ejipta ny TOMPO.


Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.


Hataon’ny TOMPO re tokoa ny feony heni-piandrianana ary hataony hita ny fiantraikan’ny tanany mamely, rehefa mirehitra ny fahatezerany eo anivon’ny firedaredan’ny lelafo mandevona ary ao anatin’ny ranonoram-baratra sy ny havandra vaventy mifafy.


Koa izao no hitako: tafio-drivotra tonga avy any avaratra, nitondra rahona matevina sady namoaka tselatra. Voahodidina hazavana ilay rahona, ary ny afovoany izay mivaivay dia nanjelanjelatra toy ny vy mangirana.


Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hampifofofofo rivo-mahery Aho noho ny hatezerako; handefa ora-mikija Aho noho ny fahavinirako ary handraraka ny havandra vaventy mpandrava Aho noho ny fisafoakako.


Amin’izany mantsy, dia hisy fijaliana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.