Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 24:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Amin’izany mantsy, dia hisy fijaliana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Fa amin’izay andro izay dia hisy fahoriana lehibe, izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny sady tsy hisy intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Amin’izany mantsy, dia hisy fijaliana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:21
20 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko aminareo izay tsy mbola nataoko mihitsy sady tsy hataoko intsony any aoriana, satria maharikoriko ny fanompoan-tsampy rehetra vitanareo.


«Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky.


Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.


Mba henoy izao, ry loholona; ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra eto Joda. Efa nisy toy izao ve tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo?


Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.


Mivavaha mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny sabata no handosiranareo.


Raha vao afaka ny fijaliana amin’ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin’ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin’ny habakabaka.


Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran’ny fahotana vitan’ny Jiosy, kanjo, tamin’ny farany, dia niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo.


Dia nisy tselatra sy kotrokorana aman-kotro-baratra; nisy koa horohorontany mafy, ka tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’olona tetỳ ambonin’ny tany, satria tena horohorontany mafy sy mahery vaika.


Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra